- Publicité SW45 -
jeudi, juin 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67 Ha : Moske sy sekoly silamo saika hakatona niteraka savorovoro

67 Ha : Moske sy sekoly silamo saika hakatona niteraka savorovoro

Vaky ny ady eo amin’ny samy silamo. Nitrangana savorovoro teny amin’ny Moske sonita foibe 67 Ha Afovoany Andrefana omaly maraina vokatry ny fisian’ny vadintany saika hanatanteraka didy hanakatona io Moske lehibe sady foibe silamo sonita eto Madagasikara no misy sekoly ihany koa. Ity vadintany ity izay nitondra olona sivily maromaro saika hanao io fanakatonana io. Andaniny, nisy mpianatra nanao fanadinana tao an-toerana raha tonga ireto olona ireto. Vokatr’izany, nanakana avy hatrany ireo vadintany sy ireo andian’olona saika hanakatona ity Moske lehibe ity ny ray aman-dren’ny mpianatra niaraka tamin’ireo mpino silamo ao amin’ity toerana ity. Raikitra ny savorovoro teny an-toerana, ary saika niafara tamin’ny fifandonana izany. Naharitra ora maro mihitsy ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fikasana hanakatona ny Moske araka izany. Nitondra fanazavana ny teo anivon’ny Moske fa niditra an-keriny tao amin’izy ireo ilay vadintany fa tsy nanaraka ny fombafomba ara-dalàna akory. Araka ny fanazavana, olana eo amin’ny silamo sonita sy siita izy ity. Nisy ny fifandirana avy amin’ny silamo siita ho tsy manaiky ny maha an’ny sonita ny Moske. Niakatra fitsarana ny raharaha. « Manana taratasy ara-pitsarana manaporofo ny fanoherany ny Fikambanana silamo siita io ny fanorenana io sekoly io tamin’izany. Ankehitriny, rehefa vitan’ny silamo sonita ny fanamboarana amin’ny alalan’ny Fikambanany Silamo Malagasy dia izy ireo indray no misandoka ho tompony. Mety ho voafitaka ny fitsarana antampony sy mety misy endrika kolikoly ny ao ambadik’izany », hoy ny fanazavana. Fanamarinana avy amin’ireo mpino silamo fa samy lany fetrandro iasana taminy 2022 ireo lehiben’ny Silamo Malagasy ireo, izay mbola mibodo toerana tsy manaiky hiala ary miafara amin’izao savorovoro izao. Efa nisy hatrany ny fampihavanana saingy tsy nisy vokany. Miantso ny fanjakana araka izany ireto silamo sonita mba hijery akaiky ity raharaha ity mba hisorohana ny mety ho fifandonana eo amin’ny mpino silamo.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici