- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpangabe : Jiolahy nilaza ho « mpanao asa soa »

Ampangabe : Jiolahy nilaza ho « mpanao asa soa »

Fantatr’ireto olon-dratsy tsara fa tsy tao an-trano ny vadin’ilay ramatoa, ka notongavan’izy ireo notafihana ny tokantranony. Nasian’izy ireo tam-pitaka ilay ramatoa ka vantany vao voavoha ireo olon-dratsy ny varavarana dia antsy sy fandrahonana avy hatrany no niantefa teny amin’ilay lasibatra.

Ny alina tsy mba namana ary mila mailo foana, satria tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Toy ity zava-nitranga tao Ambohimandroso, fokontany Ambohidava, ao amin’ny kaominina Ampangabe, distrikan’Ambohidratrimo ity, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any mantsy no nisy olona tonga nandondona tao amin’ity tokantrano iray. Rehefa nanontaniana ireo nandondona dia nilaza fa naman-drangahy vadiny ihany ary « tonga  hanatitra an’ity farany fa mamo be ». Mazava ho azy, olona nanao asa soa ny andefimandrin’ny tena ve moa tsy ho voahaina trano ? Kanjo vao voavaha mihitsy ny varavarana dia roa nitondra antsy maranitra no tao ambadika. Nandrahona an’ilay ramatoa hamoaka ny vola. Lasa tamin’izany ny 260.000 ariary, hoy ny fanazavana azo.

Tamin’io fotoana io ihany dia nampandrenesina avy hatrany ireo zandary teny an-toerana ary tonga faran’izay haingana. Tsy ela taorian’izay dia nandeha ny fikarohana ireo mpanao ratsy ary tsy ela dia voasambotra izy ireo. Mbola tratra teny amin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireto ny vola nangalarin’izy ireo tao amin’ity tokantrano ity. Izy ireo rahateo niaiky soa aman-tsara ny ratsy nataon’izy ireo. Notanana natao andrimaso avy hatrany tao amin’ny biraon’ny zandary moa izy roa lahy ireto, ho amin’ny famotorana, alohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici