- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranobevava-Maevatanàna : Mpianakavy mamo nifampitoraka biriky, olona enina naratra tsy nahatsiaro

Andranobevava-Maevatanàna : Mpianakavy mamo nifampitoraka biriky, olona enina naratra tsy nahatsiaro

Hataraina ny an’ireo mponina, tao Andranobevava, kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, rehefa nahita ny ady rombo teo amin’ireo olona mpianakavy avy ao amin’ny zana-bohitra Maromaniry, mamo vokatry ny fisotroana toaka tafahoatra loatra. Iaraha-mahalala ny fanamarihana sy fankalazana ny fetim-pirenena malagasy ho an’ny teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny andron’ny faha 26 jona isan-taona, ka tamin’izay indrindra no nahitana olona miisa fololahy, izay voalaza fa samy mpianakavy, nifamono nifampitoraka biriky, teny amin’ny arabe, tao amin’ny tanànan’Andranobevava. Nisavoritaka nandositra ny fokonolona sendra nahatazana izany tamin’io andro io. Vokany: olona enina no naratra tsy nahatsiaro tena teo no ho eo, vokatry ny toraka birika nahazo azy ireo, teny amin’ny lohany sy ny tarehany. Ireo lehilahy efatra tsy naratra, tonga dia nitsoaka nandositra nalaky avy hatrany. Noezahin’ny fokonolona noentina tamin’ny fiara taksiborosy, ho any amin’ny hopitalibe Morafenokely/Maevatanàna ireo enina miaralahy torana tsy nahatsiaro tena. Efa ora maro taty aoriana vao tonga ny zandary avy ao amin’ny Poste fixe Andranobevava, raha ny fampitam-baovao voarainay hatrany, satria mbola namita iraka sy nanao fisafoana teny amin’ny fokontany manodidina ry zareo ireo, araka ny vaovao voaray farany. Marihina fa efa nahazo fitsaboana ao amin’ny hopitalibe izy enina miarahaly ka efa mahatsiaro tena, saingy potipopotika tahaka ny voatabia voahitsaky ny sarety ny tarehan’izy ireo ao amin’ny hôpitaly ao. Tsara ihany koa mampahafantatra fa lonilony nisy efa ela no antony nisian’ny fifandona tamin’izy ireo, saingy niandrasana kimamomamon-toaka, vao nahaseho ny halahelo.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici