- Publicité SW45 -
vendredi, juin 28, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkondromena Miandrivazo : Fanafihan-dahalo : Iray maty, roa voatifitra

Ankondromena Miandrivazo : Fanafihan-dahalo : Iray maty, roa voatifitra

Nitrangana fanafihan-dahalo mivaivay tao amin’ny kaominina Ankondromena, distrikan’i Miandrivazo ny alin’ny alarobia teo. Fanafihana indroa miantoana, saingy voatohitr’ireo zandary hatrany, eny fa na dia nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy Akm (kalach) aza ireo andian-dahalo. Ny voalohany dia niseho tao amin’ny fokontanin’Akondromena, tamin’io andron’ny alarobia alina io hany, tokony ho tamin’ny folo tany ho any. Teo am-panaovana fisafoana izy ireo, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary no sendra olona nampiahiahy, tsy lavitry ny valan’ombin’olona teo Atsimondalana. Nitondra basy ireto olona nampiahiahy ireto ka vantany vao nahatsikaritra ireto zandary mpanao fisafoana, avy hatrany dia nitifitra tsy am-pihambahambana. Enin-dahy izy ireo, hoy hatrany ny vaovao ary mafimafy ihany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Vaky nandositra avy hatrany anefa izy ireo, taoriana kelin’ny fifandonana. Tsikaritra tamin’izay mantsy fa nisy roa lahy voatifitr’ireo mpitandro filaminana saingy mbola afa-nitsoaka.

Ny faharoa taorian’io, tokony ho adiny iray mahery kely teo no nahazo antso indray ireo zandary fa misy dahalo mikasa hanafika ihany koa tao amin’ny fokontanin’i Mahavelo, tsy dia lavitra loatra ilay toerana voalohany. Tamin’ity indray mitoraka ity indray dia nahatratra ampolony maro tany hoa ny ireo olon-dratsy, araka ny vaovao azo hatrany. Tokony ho adiny iray latsaka kely teo no nigadona tao amin’ilay fokontany ireo mpanao fisafoana. Minitra vitsy taorian’izay no nanao ny angaredona niditra ny tanana ireo andian-dahalo tsy fantatra isa. Raikitra indray ny fifampitifirana, nitatata ny basy. Naharitra adim-pamantaranandro iray sy sasany teo izany fifandonana izay, izay nampilavo lefona sy nampitsoaka ireo olon-dratsy. « Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany tany ho any, vao voafehy tanteraka ny toe-draharaha tao Mahavelo » raha ny fanazavana. Tao anatin’izay no nahitàna fa nisy olona iray, isan’ireo mpanafika no maty voatifitra. Mbola nahitàna basy kalaky iray ihany koa teo an-toerana, niaraka tamin’ny bala miisa 15.

Tamin’io fanafihana indroa miantoana ireo moa dia samy tsy nahatanteraka ny zavatra nokasainy atao avokoa ireo andian-dahalo. Mbola mandeha kosa ny hazalambo sy ny fikarohana ireo tafatsoaka any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici