- Publicité SW45 -
dimanche, juin 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFametavetana vehivavy ao am-piangonana : Pasitera sandoka sy mpaminany roa lahy nadoboka am-ponja

Fametavetana vehivavy ao am-piangonana : Pasitera sandoka sy mpaminany roa lahy nadoboka am-ponja

Gaga ny maro raha nahare fa misy pastera sy mpaminany sandoka nofonjain’ny fitsarana noho ny fametavetana mpino vavy ao amin’ny fiangonana sahanin’izy ireo eto Toamasina. Voalaza fa ireo mpino mivavaka ao aminy ihany no nitory azy ireo noho ny zavatra ataony amin’ireto mpino ao aminy. Milaza tena ho bogosy mantsy ilay pastera sy mpaminany sandoka iray tamin’ireo, ka hadalainy daholo ireo vehivavy mivavaka ao aminy, ary ampanantenainy “ambiance assure” izany.

Misy ny roboka, satria hono manala fahotana izany ny fiarahana aminy, araka ny nambarany. Vokatr’izany dia misy ireo mpino miaro azy amin’izany, fa ny ankamaroany koa dia efa tofoka amin’ny zavatra ataon’ity pastera sy mpaminany sandoka ity ka manameloka azy tanteraka. Ilay pastera faharoa kosa dia ireo voatavo tsy mifandraka ao am-piangonana indray no hadalainy sy iarahany, araka ny fampitam-baovao. Tamin’ity pastera sy mpaminany mpisandoka ity dia niisa valo ireo olona nitory azy tamin’ny zavatra nataony izao teny amin’ny fitsarana. Raha nivoaka ny didin’ny fitsarana dia miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy ireto pastera sy mpaminany mpisadoka roa lahy nisy nitory ireo, ka any am-ponja izy ireo no manao ny fetim-pirenena, satria ny 11 jolay izao ny fotoam-pitsarana azy ireo  araka ny voalazan’ny fitsarana. Mikatona vokatr’izany ny fiangonan’izy ireo noho tsy fisian’ny pastera mampivavaka, ka faly ireo mpino ao anatin’izany vokatry ny fanararaotana ara-nofo atao amin’izy ireo satria misy ny vadin’olona ao anatin’izany.

Nisy aza mpino nijoro vavolombelona mihitsy fa notakian’ny pastera mpaminany mpisadoka vola 300.000 ariary mihitsy noho ny tsy fanekeny niaraka tamin’Ingahy pastera mba hasandany ny fanalana ny fahotany, ka voatery nandoa izany. Ao koa ireo tovovavy tsy ampy taona hadalain’Ingahy pastera tsy manaiky azy noho ny tahotra ny ray aman-dreniny ka roahiny tsy hivavaka intsony ao aminy. Ho hita ao ny tohin’ity raharaha sarotra ity, saingy mirongatra ny fananganana ireo fiangonana zandriny mpanao toy izany eto Toamasina sy ny manodidina amin’izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici