- Publicité SW45 -
mardi, octobre 8, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVakinankaratra Antsirabe : Feno 85 taona ny fikamban’ny renin-jaza Anglikana Antsirabe

Vakinankaratra Antsirabe : Feno 85 taona ny fikamban’ny renin-jaza Anglikana Antsirabe

Fikambanana misy maneran-tany ny fikamban’ny renin-jaza, fikambanam-behivavy avy amin’ny fiangonana Anglikana, any Angletera no misy ny foibeny. Mifantoka amin’ny fanasovana fianakaviana sy ny ankizy ny fikamban’ny renin-jaza indrindra fa ireo fianakaviana marefo zanaky ny fiangonana.Feno 85 taona katroka ny fikambanan’ny renin-jaza ao amin’ny fiangonana Anglikana Santa Mikaely Antsirabe. Tsy nemela izany nandalo fotsiny ny mpikambana fa nisy fotoana nentina nanamarihana izany.Ivon’ny fankalazana ny 22 jona lasa teo izay nanaovana hetsika gaovana nentina nanamarihana izany. Nisy ny antsankiram-piderana niarahana tamin’ny groupe Rojo Ny Avo sy ny Chorale ASAMI Anglikana Antsirabe. Tsangambaton’ity faha 85 taonan’ny fikamban’ny renin-jaza anglikana Antsirabe ity ny hanganana birao eo antokotanim-piangoanana hiasan’ny presbitera. Hatomboka ny volana Aogositra izao ny fananganana ny fotodrafitrasa.Loahevitra noraisin’ny fikambanana ny hoe « Ary nandre ny feon’ny Tompo aho ka nanao hoe Iza no hirahiko…Inty aho iraho aho. » teny notsongaina tao amin’ny baiboly Isaia 6:8 .Nanotrona ity fotoana ity ny governoran’ny faritra VyVato Rakotovao, izay zanaky ny fiangoanana Santa Mikaely Antsirabe ary nanolotra valopy ho fanampiana ny fikambanana amin’ny fangananana ny tsangambato.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici