- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMickaelys Kamy : Hiakatra Fampanoavana anio ao Toamasina

Mickaelys Kamy : Hiakatra Fampanoavana anio ao Toamasina

Indroa nohadihadiana teny amin’ny zandary tao anatin’ny herinandro. Izany hoe nahazo fitoriana roa samihafa tao anatin’ny fotoana fohy. Izany no niainan’i Ndiamahazo Kamy Mickaelys ny herinandro lasa teo. Io farany izay mpisintona lakolosy fanairana tena arahin’ny maro ao Toamasina, no sady mpanao gazety ihany koa. Afaka nody hatrany i Kamy rehefa vita ny fihainoana azy, na mahakasika ny raharaha ady tany izany, satria notoriana izy ho nanala-baràka ampahibemaso rehefa nizara ny fisian’izany tamin’ny tambajotra sosialy, na koa tamin’ny raharaha famakiana bantsilana ny fampiasana fahefam-panjakàna entina mampandany kandidà ho solombavambahoaka tamin’ny fifidianana farany teo. Prefen’i Toamasina teo aloha no nitory an’i Kamy noho io raharaha nolazaina fa nanala-baràka itsy voalohany io. I Kamy dia nandefa porofo samihafa tamin’ny fizaram-baovaony momba io tranga io, eny fa hatramin’ny firaiketana an-tsoratra nataon’ny vavolombelona sahy nitonona anarana aza. Tsy dia nisy nampanahy an’i Kamy araka izany ny fampiantsoana azy noho ny porofo eo am-pelatanany. Ao anatin’izany rehetra izany, azo lazaina fa mbola miady aman’aina hatrany ireny mpisintona lakolosy fanaraina ireny, indrindra fa ireo tena be mpanaraka ny kaontiny. Toa an’i Kamy dia efa lasa fitaratry ny olona aman’aliny izy amin’ny famantarana ny zava-misy ao amin’ny faritra Atsinanana. Betsaka ny midera izany, saingy betsaka koa ireo voatohintohina rehefa « miboridana » eo ny momba azy, indrindra fa ireo manam-pahefana sasantsasany manao ny tsy mety.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici