|
Antanandrano-Ambohitrarahaba Folo lahy mitam-basy nanafika mpivaro-kena « grossite »Nirefotra indray ny basy teny Antanandrano-Ambohitrarahaba omaly tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina. Notafihina andian-jiolahy mirongo basy ny mpivaro-kena mpamongady iray teny an-toerana. Niantso vonjy anefa ny tao an-trano ka nitsoaka nandositra no sady nanapoaka basy ireo jiolahy. Tamin'io maraina io, tonga tao amin’ny tokantranon'io mpamongady io teny Antanandrano ny andian-jiolahy mirongo basy. Folo lahy teo izy ireo, raha ny fitantaran’ny tao an-trano. Notapahin’ireo mpanafika tamin’ny “pince” ny savilim-baravarana ka avy eo ry zareo no nikasa hiditra. Telo tamin’ireo savily ihany anefa no voapitsony dia efa ren’ny tao ambony rihana izy ireo. Rehefa niantso vonjy ny tompon-trano dia nanapoaka basy indray mandeha ireo jiolahy mba ampitahorana azy ireo, no sady nandositra ihany. Afaka kelikely dia nanao tampody fohy niverina ireo olon-dratsy ka mbola namaky ny varavarana indray. Teo anelanelan’izay fotoana izay anefa efa nampandre an-telefaonina ny havany sy ny zandary tany Ambohitrarahaba ny tompon-trano ka tsy ela dia tonga ireo mpamonjy. Vao nahare ny fahatongavan’ny fiara nitondra ny zandary sy ny havan’ny tompon-trano anefa ireo olon-dratsy dia nandositra avy hatrany. Manoloana ny trangan-javatra dia manahy ny amin’ny mety mbola hiverenan’ireo jiolahy ireo ny tompon-trano. Efa manao fanadihadiana ny zandary amin’izao fotoana izao. Aina R.
Lire aussi Maroantsetra : Noboriana ny sofin’ilay mpanao sinto-mahery Ambilobe : Nilahatra tamim-pilaminana ny mpomba ny Mpanjaka Tsimiaro III Loza tany Antsampanana : Olona roa namoy ny ainy Printsy Rasidy : Mangataka ny hitsarana ireo namono ny rainy Hain-trano tany Toamasina : Mitentina 14.000 Dôlara ny fahasimbana
|