- Publicité SW45 -
jeudi, juin 27, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireMahavelona Foulpointe : Nandray ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an`ny tontolo...

Mahavelona Foulpointe : Nandray ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an`ny tontolo iainana

Dia be natao nanerana ny tanan`ny Foulpointe

Ny kaominina Mahavelona Foulpointe no nampihatrano ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an`ny tontolo iainana ho an`ny distrika Toamasina faharoa, faritra Antsinanana.

Tontosa ny zoma 7 jona lasa teo izany raha toa ka ny 5 jona no tena andro maneran-tany ho an`ny tontolo iaianana araky ny kalendary navoakan`ny firenena mikambana.

Dia be nanarena ny tanana, nataon`ireo fikambanana mpisehatra momban`ny tontolo iainana, sampandaharaha, mpianatra sy ny maro hafa no nanokafana ny lanonana tao Foulpointe. Teo amin`ny « plage«  no nifarana ny « carnaval«  satria teo no nisian`ny fifandimbiasan`ny fandraisam-pitenenana nataon`ireo manam-pahefana sy ny avy ao amin`ny sampandraharam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy.

Entina hivoizana loahevitra ny fanamarihana fotoana tahaka izao hoy ny talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-javy eto Antsinanana ka hifantoka betsaka amin`ny famerenana amin`ny laoniny ny tany manoloana ny haitany ny loahevitra,  fotoana izao hiresahana ny fiarovana ny tany indrindra ny tontolo iainana hoy hatrany ny nambarany.

Isan`ny faritra manankarena ny faritra Antsinanana, na biby na hazo, na zava-maniry, ny rivotra sy maro hafa ka tokony hajaina sy arovana izy ireny mba holovain`ny taranaka.

Manao ezaka ny ministera amin`ny asa fiarovana ny tontolo iainana indrindra amin`ny resaka fambolena hazo. Ankaotra izay ny fampihenana fampiasana ny akora simika sy fitaoana plastika, ny ady amin`ny doro tanety izay hanomboka ny  volana Septambra izao.

Fantatra fa any Atsimo andrefana no hanamahana ny fankalazana nasionaly ny datin`ny 13 Jona ho avy izao.

Marihina fa nifanindry andalana tamin`ity fotoana ity ny fanokafana tamin`ny fomba ofisialy ny fankalazana ny fetim-pirenena ho an`ny kaominina Mahavelona Foulpointe. Nambara ofisialy izany taorian`ny fananganan-tsaina nialohan`ny diabe. Tsy ho latsa-danja ny fanamarihana hoy ny Ranaivoson Sampy Elin ben`ny tanana eto Foulpointe, toy ny isan-taona dia hisy hatrany ny omby maty sy fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ho an`ny dahalobe hiarahana mifaly.

Andry N

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici