- Publicité SW45 -
samedi, octobre 5, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversiten’ny Toamasina : Ano no zaraina ny tambin-karama 2018 - 2019…

Oniversiten’ny Toamasina : Ano no zaraina ny tambin-karama 2018 – 2019…

Tao amin’ny trano fandraisana lanonana sy fisakafohanana “La Marmite” ny lanonana fifampiarabana noho ny taona vaovao nataon’ny Oniversiten’i Toamasina. Saika tao avokoa ireo mpikambana amin’ny fitantanan-draharaha sy ny mpanabe ary ireo mpianatry ny oniversite nasaina, ka nitarika izany ny filohan’ny Oniversite sy ny lefiny ary ireo lehiben’ny “mention” sy toeram-pampianarana samy hafa misy.

Nizara telo miavaka tsara ny lanonana nandritra izany, dia ny taom-baovao nankalazaina, sy ny fifampiarabana noho ny 26 jona 2024, ary fanolorana marim-pasatrihana noho ny fisotron-dronona ho an’ireo mpanabe sy mpandraharaha niisa 20. Ho an’ity farany dia ireo mpanabe sy mpandraharaha efa nivoaka nisotro ronona ny taona 2019 sy ny taona 2024 izy ireo. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nilazan’ny mpamabe mpikambana ny SECES, fa isan’ny takian’izy ireo ny fivoahan’ny volany ao anatin’ny tambin-karamany. Nambaran’ny filohan’ny Oniversite nandray fitenenana ny momba izany, ka nambarany fa efa tonga ny volan’izany, ka ny talata ho avy izao no hizarana izany, satria ny 53% ny tambin-karama no azo izany hoe ny taona 2018-2019. Ankilan’izany dia nambaran’ny filohan’ny oniversite koa fa maro ny ezaka tratra ankehitriny mikasika ireo toky nomena; ka isan’izany ireo pampianatra 09 nahazo ny “doctorats” sy ireo mpampianatra 10 nahazo ny “HDR”. Nitombo isa koa ireo mpanabe eo anivon’ny oniversiten’I Toamasina satria niisa 110 izany teo aloha fa izao kosa efa mahatratra 180 ny isan’ireo mpanabe ireo; ary 650 eo kosa ny isa raha mitambatra amin’ireo mpandraharaha izany.

Ankoatra izany dia niisa 3.000 mahery ireo mpianatra nanomboka ny “Licences – Masters –Doctorats” nahazo diploama tamin’ity taona ity, avy amin-ireo sampampianarana niisa 08 misy notolorana ny marim-pahaizana. Fantatra ihany koa ankehitriny ny fananganana oniversite any Maroantsetra, ka misy ny fiaraha-miasa amin’ny ben’ny Tanana any an-toerana amin’ny fanomezana tany, ka tany manodidina 04ha no hifampiaraharahana amin’izao.

Ao anatin’izany koa ireo raharaha mafana miandry ny mpitantana ny Oniversiten’I Toamsina mikasika ireo mpinatra tsy faly tamin’ny tsy fahazoana vatsiam-pinarana noho ny resaka “carte” tsy misy vola na tsy mandeha. Milaza ny hanao hetsika goavana ireo mpianatra raha ts mivaha ny olana avy amin’ireo tompon’andrakitra.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici