- Publicité SW45 -
samedi, septembre 28, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoamandroso-Maevatanàna : Lehilahy iray no maty tsy tra-drano vokatry ny fihotsahan'ny tany

Soamandroso-Maevatanàna : Lehilahy iray no maty tsy tra-drano vokatry ny fihotsahan’ny tany

Hataraina ny an’ireo fokonolona tany amin’ny manodidina ny tanàna atao hoe Soamandroso, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny herinandro lasa teo iny, raha naheno ny loza niseho tamin’ilay lehilahy nihotsahan’ny tany, tao anaty vavam-patana fitrandrahana volamena. Raha ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga, makasika an’ilay loza niseho tamin’ny tobim-bolamena, izay manamorona ny tanàna voalaza etsy aloha, dia nisy lehilahy maromaro tsy voafaritr’isa niasa nanaraka lalam-bato, tohin’ny  » Tonnelle » ireny. Ifandimbiasana ny mitsofoka ao anatin’izany, ka ilay lehilahy fantatra amin’ny anarana hoe: Tantsoa no voatondron’ireo namany nitsofoka tao. Tampoka teo anefa, dia nihintsana tsikelikely ny tany ka mailo sy niakatra nalaky avy ao amban’ny tany niasana ranamana, saingy tsy tafavoaka tao anaty lalam-bato, fa ny feo niantso vonjy avy ao no henon’ireo namany. Niezaka ihany ny vatan-dehilahy mpiara-miasa aminy namonjy azy, fa nototoran’ny tany foana ny vatany iray manontolo. Rehefa niala nenina tamin’ny fangadiana ny tany ny namany, dia vatana efa tsy mihetsika sy potipopotika, sisa no mba tazan’izy ireo avy ao. Nomena ny fianakaviany ao an-tampon-tanàn’Andranobevava, any amin’ny kaominina ambanivohitra Beanana, avy hatrany ny razana. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa ny asa volamena no tena iveloman’olona sy iolomaizana trandrahina aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, noho izy asa mahavelona malaky, hany ka ny valopolo isan-jaton’ny mponina aty an-toerana dia mivelona amin’izany avokoa, indrindra rehefa mahita amin’ny  » grammes sy kilao iny. Satria ny grammes, rahateo efa mikatra telo hetsika ariary. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany moa ny tian’ny mpanoratra hasongadina hatreto.

Ratantely

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici