- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Manjaka ireo mpanafika mpitaingina « Scooter »…

Toamasina renivohitra : Manjaka ireo mpanafika mpitaingina « Scooter »…

Tena manao ny lalanany ireo mpanao fanafihana mpitaingina moto “scooter” eto Toamasina anakehitriny. Ny farany teo no saika nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny tamin’ny fanafihana olona mitondra vola, na ireo olona ahiany ho mitondra vola any aminy. Voalohany tamin’izany ilay tranga ny zoma hariva teo tao Ampasimazava, nanafihan’ireto roa lahy mpitondra moto “scooter” vola na jirofo avy nalaina. Efa narahin’ireto olona roa lahy ireto ny olona mpitondra ilay vola, ka raha izy hiditra ny vavahady iny dia nambanan’izy ireo ny basy ary nilazany hoe “aiza iny sakosy entinao iny fa ilainay ny ao anatiny”. Raha vao nahare izany ilay mpitondra ny vola dia natsipiny tany anaty fefy ilay sakosy, ka voatery nanapoaka basy ireto jiolahy ka nahavoa tamin’ny feny ilay mpitondra ny vola. Tsy nahazo na inona na inona izy roa lahy ireto ary natahotra sao ho voadaroky ny olona teo ka nitsoaka niaraka tamin’ilay “scooter”. Avotra ilay vola ary nentina haingana namonjy fitsaboana ilay voatifitra tamin’ny feny ity, ka efa tsy maninona izy amin’izao. Faharoa, nitranga ny zoma hariva tokony tamin’ny 05 ora hariva, teo amin’ny fivarotana sakafo amin’ny “boulevard Augagneur”. Ramatoa iray avy any amin’ny “avenue de l’indépendance” no nivily teo saika hividy zavatra mba hohaniny, saingy izy teo am-pividianana izany no nahatsikaritra tovolahy iray tamin’ireo roa lahy avy ery ampitan’ny arabe manatona azy, sady namoaka basy. Vao nahita izany ny tenany dia nitsoaka ary niditra posy teo akaiky teo ary navelany teo ilay moto “scooter” nentiny. Raha nahita izany koa olona teo akaiky teo dia namindra ilay moto teo anoloan’ilay fivarotana, ary ireo mpanjifa teo niezaka nitsoaka tao anatin’ilay fivarotana avokoa. Vao nahita ny fikoropahan’ny olona ilay nitondra basy dia nanapoaka izany ary nitsoaka avy eo. Nisy olona naratra nandritra izany saingy tsy nisy kosa ny maty. Fahatelo amin’ny fanafihana teo Toamasina ity nahazo ilay ramatoa iray tao Ampasimazava ihany. Saika haka vola tsy nahazo izy ireo saingy voa teo amin’ny fitombenany ilay ramatoa ka nodidiana teny amin’ny hopitaly be. Efa tsy misy ahiana ny fahasalamany amin’izao, araka ny vaovao voaray. Mampitandrina ireo mpikirakira sy mpitondra vola ny mpitandro ny filaminana mba ho mailo, fa efa tsy mitsitsy ireo jiolahy mpitondra basy, saingy efa manao ezaka ny mpitandro ny filaminana amin’izao. Raha ny fanazavana ihany koa dia mety misy ifandraisany avokoa ireto fanafihana mitam-piadiana ireto, fa saingy samy manana ny lalany kosa izy ireo amin’ny asa ratsy ataony.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. entanina ireo mpitandro ny filaminana manao PR mba tsy ho variana hanakana tuc tuc manao taingim-be sy misava ny papiers an’ireny fotsiny, na hanakana moto izay tsy manao haro-loha fa mba hisava ireny moto scooter ireny, indrindra ireo manao taingin-droa.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici