- Publicité SW45 -
mercredi, juin 19, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireDREDD Vakinankaratra :  Tsy voatery hisy fanantenana vao hiaro ny tontolo iainana

DREDD Vakinankaratra :  Tsy voatery hisy fanantenana vao hiaro ny tontolo iainana

Narisika ny vahoaka niara niasa tamin`ny DREDD

Tany amin`ny distrakan`ny mandoto misy ny valanjava-boahary «Madagasikarantsika» no toerana nanamarihan`ny DREDD Vakinankaratra ny andro maneran-tany ho an`ny tontolo iainana. Ny volana Aogositra 2023 no nanokanana ity valan-javaboahary ity, ao amin`ny fokontany Ampotaka kaominina Mandoto  no misy azy.

Fametrahana aro afo, fikojakojana ireo hazo novolena,fanesorana ireo ahi-dratsy, fanadiovana ny manodidina sy ny alan-javaboary ireo no antondian`ny fianakaviamben`ny DREDD Vakinankaratra  nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an`ny tontolo iainana. Mifandraika amin`ny loahevitra rahateo ny hetsika natao satria mahakasika ny fanarenana ny tany sy fiatrehana ny hain-tany ny loahevitra tamin`ity taona ity. Tsy ho lasa ala mihitsy ireo hazo novelana ireo raha tsy misy ny fikojakojana sy fanaraha maso azy  hoy Rtoa Tojotsara Ratefason talem-paritry ny tontolo ianana sy fandrosoana lovainjafy eto Vakinankaratra.

Tsy voatery hiandry fanentanana na mpitarika ny fiarovana ny tontolo iainana hoy hatrany ny tenany fa afaka miasa avy hatrany rehefa olom-pirenena na fikambanana , na fiangoanana na orinasa, na sekoly, indrindra fa ireo vondron`olona eny ifotony. Noraisin`ny fitalevam-paritra ohatra akaiky ny orinasa Laguna tsy niandry baiko na fanetanana fa avy hatrany dia niroso tamin`ny fanadioavana ny tontolo iaiana tandrify azy.

Ady iraisana ny fikajiana sy  fiarovana ny tontolo iainana, ilaina ny fifanomezan-tanan`ny rehetra mba ho lovainjafy, tsy mila miala alavitra vao afaka mikajy ny tontolo iainana fa eo amin`ny manodidina ihany dia afaka manao izany ary miainga ao antokatrano izany hoy hatrany Rtoa tale.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici