Nanohina ny olona ny sarin’ilay zandary misaron-tava miasa eo anivon’ny GSIS nitifitra tamin’ny « fusil à pompe »nandritry ny hetsika, ny asabotsy lasa teo. Niparitaka haingana ny horonan-tsary mahakasika izany, omaly. Teo akaikin’ny Tahala Rarihasina, eo amin’ny fivarotam-boky sy taratasy amin’ny andavanandro, saingy tsy nisy mpivarotra intsony teo noho ny sahotaka, no nisian’ny tranga. Raha nivoaka nandeha tongotra moramora, tsynisy fitaovam-piadiana na hazokely aza, ny rangahy iray no notsenain’ilay zandary tamin’ny tifitra. Tsy vitan’izay fa « fusil à pompe » no nampiasain’io mpitandro ny filaminana io. Divi-janahary no tsy nahafaty ilay olona izay sendra mba nahay niondrika ka afaka tamin’ny bala. Nitsoaka nihemotra izy mazava loatra ary mbola saika hanohy ihany ilay zandary no niahotra tampoka tamin’ny segondra farany. Azon’ny olona mazava tsara ny horonan-tsary momba izany ary porofo mitohoka amin’ny tendany. Rehefa nohamarinina tamin’ny vavolombelona izay nanatri-maso ny zava-nitranga dia nanazava ireo, fa ilay rangahy dia somary avoavo vava tamin’ilay zandary ary izay no heverina fa nahatonga itsy farany nanapa-kevitra ny hifofo ny ainy. Zandary misaron-tava satria eo anivon’ny herymanokana no iasany dia ny GSIS na ny « Groupe de Sécurité et d’Intervention Spéciale ». Izany hoe io no hery mafy indrindra eo anivon’ny vondron’ny zandarimariam-pirenena ary izay rahateo no antony hampanaovinaazy ireo saron-tava rehefa midina an-tsehatra satria tsy any amin’ny fandaminana intsony ny asany fa fisamborana na fampiasan-kery kosa amin’izay mety hilana azy. Saingy tokony ho nampiasaina basy ve ity rangahy izay sady tsy fantatra ny momba azy no tsy nisy fitaovam-piadiana akory tenyaminy, eny fa na dia vatokely iray aza ? Ny « fusil à pompe » no isany mafy indrindra ny fiantefany ary misy aza ny olona no mizara roa mihitsy rehefa voan’nybalany. Dia izay ve no nokasaina tamin’ilay olona tsy manan-tsiny, eny fa na atao hoe nisy nahatohina aza (raha tena ho izanytokoa) ny zavatra nolazainy, ka nahatonga azy nataon’ilay zandary savahao ? Fikasana hamono olona, fa mpiasan-kery amin’ny tsy tokony ho izy ary toetra tsy mifanaraka amin’ny fitsipika anatin’ny mpitandro filaminana. Marobe ny vesatra azo anenjehana an’ity zandary ity raha toa ka mandeha ny raharaham-pitsarana.
D.R