Vehivavy iray no saika lasibatry ny mpanendaka teny amin’iny faritra 67ha iny, kanjo nitsoaka sy nila vonjy tamin’ny tsena iray sendra tandrify azy izy, dia ireo mpanjifa tao indray no nampihorohoroin’ity mpanendaka. Teny akaikin’ny Cenam no nitranga ity fanendahana ity, hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny pôlisy misahana iny faritra iny.
Raha ny zava-nitranga, ny alakamisy tokony ho tamin’ny 12 antoandro teo dia vehivavy iray no nenjehin’ny mpanendaka iray, izay niaraka tamin’ny sabatra. Tsy nahazo n’inona n’inona teny aminy mantsy ingahirainy fa somary nanohitra ary tafatsoaka ilay vehivavy. Nitsofoka tamin’ny mpivarotra hani-masaka iray teny an-toerana ity farany ary nanaraka sy mbola nandrahona ireo mpanjifa tao ihany koa ingahy mpanendaka. Rehefa hitany fa tsy nilefitra tamin’ny fampihorohoroana ireo olona tao ary nisy sasany mihitsy aza niantso mpitandro filaminana dia nanao tsoa-pe ranamana. Tonga teny moa ny pôlisy saingy tsy nahita azy intsony. « Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro vao hitan’ireo polisy nihaodihaody teny amin’ny faritry 67 ha ary dia nosamborina avy hatrany. Nandritra ny fisamborana dia nanamafy araka izany ireo mponina eny an-toerana fa ity lehilahy ity no isan’ny mpanendaka sy tompon’antoka amin’ny fanendahana eny an-toerana ». Marihana hoy ny vaovao fa efa mpamerin-keloka sy vao avy nigadra teny Antanimora ity tovolahy ity noho io resaka fanendahana io hatrany.
m.L