Fatin-dehilahy roa no hita tao an-tampon-tanànan’i Mahajanga, renivohitry ny Faritra Boeny, omaly. Raha ny vaovao voaray, tovolahy iray no hita faty nihosin-drà tao amin’ny fokontany Antanimasaja, Secteur 4, akaikin’ny trano fandraisam-bahiny iray. Voalazan’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana nanao fizahana ny razana, fa tokony ho tany amin’ny roa ora naraina tany ho any no namonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’ity tovolahy ity. Raha ny tombatomban’ny maro, dia mety ho nanohitra an’ ireo olon-dratsy nandroba azy ity tovolahy vahiny sendra nandalo hita faty, satria tamin’ny fotoana nahitana ny razana, tsy nisy nahafantatra azy ny mponina teny amin’ny maodidina. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 46 taona eo ho eo ihany koa no hita faty natsingevan’ny rano, teo akaikin’ny « poteaux » mainty, fokontany Amborovy. Ny andron’ny omaly io ihany, dia efa nalain’ny havany ny vatana mangatsiakan’ity raim-pianakaviana ity. Fa hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra kosa, dia mbola tsy nisy naka tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaliben’ Androva ny nofo mangatsiakan’ity tovolahy maty voaendaka, izay tsy fantatra havana.
Eric Manitrisa