- Publicité -
lundi 27 mars 2023
DomicileFaits-DiversAmbatolampy : Folo lahy nanafika, lasa ny vola 10 tapitrisa ariary

Ambatolampy : Folo lahy nanafika, lasa ny vola 10 tapitrisa ariary

Tsy mijanona ny fanafihan-jiolahy saika manerana ny faritra rehetra eto amin’ny firenena. Fandrobana miharo herisetra, halatra omby sy fakana an-keriny ary fametavetana vehivavy. Tamin’ny sabotsy alina, jiolahy voalaza fa niisa folo no nanafika tao amina tranona mpivarotra iray tany amin’ny tanàna antsoina hoe Andranovelona, any amin’ny disitirik’Ambatolampy. Nanao be fiavy ry zalahy ary nopitsohany avy hatrany ny varavarana fidirana. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nivantana tany amin’ny efitra misy ireo tompon’ny trano ry zalahy. Tsy nisy afaka nihetsika ireo rehetra tao nahita ny basy nirangaranga. Amin’izao fotoana izao mantsy, raha sendra misy manao sahy manohitra, tonga dia ampiasain’ireo olon-dratsy ny basy eny aminy. Fisehoana fanafihana maro no efa nahitana izany. Noteren’ireo mpandroba hanome azy ny vola ireo voatafika. Lasa tamin’izany ny 10 tapitrisa ariary. Tsy nionona tamin’izanay anefa izy ireo fa nalainy koa ny firavaka volamena, ny telefonina ary izay zavatra tsaratsara rehetra hitany tao. Voalaza fa tena nanaram-po tamin’ny zavatra nataony ireo jiolahy ireo. Tsy dia naharitra ela akory izy ireo naka izany zavatra rehetra izany. Raha vao azony izany dia lasa niala ny toerana ry zalahy. Efa dila ireto mpangalatra ireto vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo voatafiaka. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary, efa lasa ela ireo jiolahy. Ny nijery ny zava-nisy sisa azo natao. Soa ihany aloha, tamin’ity fanafihana ity fa tsy nisy ny olona naratra na namoy ny ainy. Ny tahotra no tena betsaka tokoa. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana sy ny fikarohana an’ireo olon-dratsy ireo.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser