- Publicité -
dimanche 29 janvier 2023
DomicileFaits-DiversRN 25 : Zazavavikely maty voadonan'ny fiara

RN 25 : Zazavavikely maty voadonan’ny fiara

Lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ny lalam-pirenena faha-25 mankany Mananjary iny ny 5 desambra lasa teo. Zazavavikely iray 4 taona no maty voadonan’ny fiara teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambodifiakatra -Antsenavolo (PK 120+60), tokony tamin’ny 3 ora tolakandro. Raha ny vaovao voaray avy any an- toerana dia fiara mpitatitra mampitohy an’Ambositra sy Mananjary ity nahadona azy ity. Maty tsy tra-drano moa ilay zazavavikely. Ny mpamily kosa natolotra avy hatrany ny zandary tany an-toerana hanaovana fanadihadiana.

A.R.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser