- Publicité -
lundi 5 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnkorondrano : Ankizy lahy nilomano maty an-drano

Ankorondrano : Ankizy lahy nilomano maty an-drano

MATY-ANDRANO-(5)Omaly tamin’ny 12 ora antoandro, loza no niseho tao amina dobo kely iray namboarina teny amin’ny faritra Ankorondrano. Ankizy lahy kely iray eo amin’ny 13 taona mantsy no maty tao anaty rano. Raha ny loharanom-baovao, fanaon’ny ankizy monina eny Fasika-Ankorondrano ny mandeha milomano rehefa avy mirava mianatra. Nafana be omaly ary izany no nahatonga azy ireo hilalao teo amin’ilay dobo. Maromaro izy ireo tamin’izay. Misy karazana bozaka maniry anaty rano ary mitsingevana teo amin’ilay toerana. Efa fanaon’ireo ankizy no mitaingina an’ireny. Niakatra teo ambony ity zazalahy ity. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa efa niha-lalina anefa ilay dobo noho ny rotsak’orana be dia be tao anatin’ny andro vitsy. Raha mbola variana iny ilay ankizy no nivadika tampoka ilay zavatra notaingenany ary dia voatsindry tao izy. Niezaka ireo niaraka taminy ny hanavotra azy fa tsy nahomby. Ny rano lalina be. Avy eo vao tonga saina nandeha niantso ny olon-dehibe. Natao ny fanavotana namoahana an’ilay zazalahy. Voatery nodidiana mihitsy ilay zavatra nanindry azy vao tafavoaka izy. Efa ela loatra tao anaty rano anefa ka tsy avotra intsony ny ainy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpamonjy voina avy eny Tsaralalàna nanampy.

r.s.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser