- Publicité -
mercredi 7 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversSakaraha : Tompon’omby iray matin’ny dahalo, omby 170 voaroba

Sakaraha : Tompon’omby iray matin’ny dahalo, omby 170 voaroba

Tamin’ny fiandohan’ny herinandro dia kaominina roa samy hafa any amin’ny distrikan’i Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, no nasesin’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika notafihana. Omby miisa 170 no voaroba. Fokonolona tompon’omby iray anisan’ny nanara-dia no maty voatifitra nanditra ny fifanandrinana tamin’ireo olon-dratsy. Tato ho ato izay dia nitrangana halatra omby arahina vono olona foana any amin’ity distrika mbola voasokajy ho faritra mena ity hatrany any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Miaina ao anaty tebiteby tanteraka ny vahoaka ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa. Noho ny tahotra ny dahalo dia betsaka ny mitsoaka an’ala.

Manitrisa

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser