- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Olona iray maty, telo maratra mafy

Lozam-pifamoivoizana : Olona iray maty, telo maratra mafy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena faha-7 tamin’ny 19 desambra lasa teo.  Teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambohimanarivo no niseho izany. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpamily ary olona telo hafa naratra mafy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa efa nisy nahatsikaritra ity fiara Hyundai iray nivezivezy tao an-tanànan’Antsirabe tamin’io andro io. Voalaza fa nandeha mafy tokoa ilay izy tamin’izay fotoana. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa mamo ilay mpamily. Niseho tokoa ny loza ka nifatratra tany amin’ny tamboho ilay fiara. Tsy vitan’izany fa mbola nandona olona telo hafa. Maratra mafy avokoa ireo olona ireo. Ny nahamaika ny nahita ny loza dia ny nitondra azy ireo tany amin’ny hopitalin’Andranomadio.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser