- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversMandoto : Dimy lahy nanafika mpividy volamena

Mandoto : Dimy lahy nanafika mpividy volamena

Ny alin’ny 21 hifoha  22 desambra, nisehoana fanafihan-jiolahy tany amin’ny tanàna antsoina hoe Morafeno any Anjoma Ramartine Mandoto. Jiolahy  dimy nitondra basim-borona telo sy fiadiana hafa no indray nanao be fiditra tao amin’ilay tranona mpividy volamena. Vokany, lasan’ireo mpangalatra tamin’izany ny vovo-bolamena milanja 8 grama, ny vola tao an-trano,izay tsy fantatra mazava ny totaliny ary kojakoja maro samy hafa. Tamin’ny 11 ora sy sasany alina no niseho ity fandrobana ity. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa avy be ny orana tamin’io fotoana io ary tsy nahare ny nahatongavan’ireo olon-dratsy ny tao an-trano. Novakian’ireo jiolahy ny varavarana ary teo izy ireo no niditra. Efa tao an-trano izy ireo vao taitra ny tompony. Voaambana basy anefa ka tsy afaka nihetsika. Tamin’izay fotoana izay no nangalan-dry ny volamena. Raha vao azon’ireo mpandroba ny entana dia lasa nandeha izy ireo. Tsy nisy kosa anefa ny olona naratra tamin’ity fanafihana ity. Efa lasa lavitry ny tanàna ireo bandy ireo vao nanapoaka basy. Efa nampandrenesina ny zandary any an-toerana. Ny avy ao Morafena no misahana ny fanadihadiana.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser