- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversToliara : Lasa fialambolin’ny tanora ny fivarotantena, fifohana rongony, fisotroan-toaka

Toliara : Lasa fialambolin’ny tanora ny fivarotantena, fifohana rongony, fisotroan-toaka

Lalim-paka loatra ve ny krizy sa ny toe-tsain’ny tanora mora maka ho azy amin’izao no mahazo vahana ? Rendrarendra sa fialamboly ! Betsaka ny tanora ao Toliara no milomano tanteraka anaty fahaverezana toy ny fisotroan-toaka sy fifohana rongony. Mahazo laka ihany koa ny fivarotantena amin’ireny trano fandihizana sy « Bar » ary eny hatramin’ireo trano fisakafoanana sy fatoriana. Vokatr’izany, mirongatra ny valanaretina samihafa azo amin’ny firaisana tsy voaaro, satria tsy marisika loatra manao fimailo ny ankamaroan’ireo tanora nohadihadiana. Mirongatra torak’izany ihany koa ny vohoka tsy irina ary ireo ankizivavy tsy ampy taona no maro an’isa, raha ao Toliara sy ny manodidina no asian-teny. Mampanahy be ihany ny mety hoavin’ny tanora any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny. Lasa lamaodin’ny tanora toa ifaninanana tsy ahazoana loka mihitsy ny fifohana rongony sy fisotroan-toaka (Galeoka). Tsy anavahana taona intsony amin’izao ny famonjena ‘boite de nuit ».

10 taona efa mivarotena. 10 taona manomboka ho vory tratra dia efa mitady vazaha antitra amin’ireny toeram-pandihizana ireny. Tsy menatra miantso « kil » imasom-bahoaka ireto voatavo tsy mifandraka ireto, izay mbola mpianatra eny amin’ny EPP sy CEG ny ankamaroany. Amin’izao fotoam-pialan-tsasatra sy manakaiky andro fety izao dia mifampitaona any amin’ireny toeram-pandihizana sy trano fisotroan-toaka ireny ny tanora. Miafara hatrany amin’ny fampitomboan-taranaka sy fifohana môly ny revy. Tamin’ny fanadihadiana hatrany no nilazan’ireo ampahana tanora sendra anay fa vokatry ny fahantrana, ny fitiavana rendrarendra (lamaody) sy vola ary fitiavana andrakandrana no antony iray manosika ireo tanora hiliba, satria goragora ny rafi-pitaizana. Ny ao amin’ny « Jardin de la mer » amoron-driaka moa dia efa lasa toerana fampiarahan’ireo ankizy tsy ampy taona, rehefa harivariva sy faran’ny herinandro. Toa mahazatra ny maso ny mahita izany ka hatramin’ireo mpitandro filaminana aza toa tsy maharototra intsony.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Guide du weekend