- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversBezaha : Voasambotra ilay namono sefo fokontany

Bezaha : Voasambotra ilay namono sefo fokontany

Voasambotra ny alatsinainy heriny teo rehefa nokarohina nandritra ny fotoana ela ilay lehilahy iray voalaza fa namono nahafaty ny sefo fokontanin’i Sakamalio any Bezaha, distrikan’i Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana, ny 23 mey lasa teo, ary natolotra ny fitsarana. Iny nisakafo maraina iny ity sefo fokontany ity no notifirin’i Dauphin ka maty tsy tra-drano. Tsy nisy very kosa ny entana tao an-tranony. Resaka safira no fototry ny olana ary nandefa vava mihitsy ity lehilahy ity fa tsy maintsy matiny io sefo fokontany io noho ny fialonana. Be ny resaka navoakany ka nosamborin’ny andrimasom-pokonolona ity voarohirohy ho mpamono olona ity ary naterina tany amin’ny Zandary nanaovana fanadihadiana, avy eo natolotra ny fitsarana.

Nangonin’i Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser