- Publicité -
mercredi 28 septembre 2022
DomicileFaits-DiversToliara : Raim-pianakaviana avy nivavaka voaendaka sy naratra mafy

Toliara : Raim-pianakaviana avy nivavaka voaendaka sy naratra mafy

Toa mampirongatra indray ny asa ratsy tao Toliara ny fahatapahan-jiro nandritra ny alin’ny 24 desambra sy tamin’ny fetin’ny krisimasy. Raim-pianakaviana iray 36 taona avy nivavaka namonjy sasak’alina no voaendaka ny alin’ny 24 desambra tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Avy tany am-piangonana nandeha nody nihazo ny tokantranony ity lehilahy ity no nosakanana bandy telo ka ny iray nitondra basy poleta. Niezaka niantsovonjy ny anao lahy, nefa daroka sy vono no setrin’izany ary naratra mafy ny tenany. Roa arivo ariary tany am-paosiny no lasan’ireo jiolahy. Tsy nisy sahy nivoaka ny teny amin’ny manodidina nisehoan’ny fanafihana. Ny andro rahateo maizina ka dia samy nifitsaka tany an-trano na dia mety naheno ny zava-nisy aza. Marihana fa tapaka nandritra ny tapak’andro ny ranon’ny Jirama tao Toliara, ka betsaka no nimenomenona nandritra ny andro fety.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser