- Publicité -
mercredi 7 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMahitsy : Trano telo nasesin’ny jiolahy norobaina

Mahitsy : Trano telo nasesin’ny jiolahy norobaina

Mahery vaika ny fahatongavan’ny jiolahy mandroba amin’izao fotoana izao. Toran-kovitra ny rehetra eo anatrehan’izany

Tsy mijanona ny asan-jiolahy manerana ny faritra maro eto amintsika. Tamin’ny zoma alina, teo anelanelan’ny tamin’ny 11 ora ka hatramin’ny 12 ora, trano telo tao amin’ny tanàna antsoina hoe Avaratsena no nasesin’ny jiolahy norobaina. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa efatra no isan’ireo mpangalatra ireo ary nitondra basy ry zalahy. Saika nitovy hatrany ny fomba nidiran’izy ireo. Novakiany ny varavarana ary nibosesika niditra ry zalahy. Teo anatrehan’ny basy, tsy nisy sahy nihetsika ny rehetra. Voalazan’ny vaovao fa tsy nahazo zavatra izy ireo tao amin’ny trano voalohany. Asa na izany no nahatezitra azy ireo fa nifindra trano faharoa ireo mpangalatra. Tao no nahazoany entana maromaro toy ny “lecteur”, ordinatera ary firavaka volamena. Toa tsy nahazo vola izy ireo tao. Tsy nijanona teo ny asa ratsin’izy ireo fa nandroba tao amin’ny trano fahatelo indray ry zalahy. Voaambana basy sahala ny teo aloha ny olona, hoy hatrany ny vaovao voaray. Vola mitentina  7 alina any ho any no lasany. Raha nahazo izany ireo mpangalatra dia lasa nandeha. Efa nilazana ny zandary any an-toerana.

Nangonin’I r.s.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser