- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAnosy : Zandary nendahana telo lahy, naratra sy very vola

Anosy : Zandary nendahana telo lahy, naratra sy very vola

Ny alin’ny alarobia tokony ho tamin’ny 9 ora, zandary iray no sendra mpanendaka miisa telo teny Anosy nanoloana ny Lapa Maitso. Raha sondriana tsara nandeha ity mpitandro filaminana ity no sendra an’ireto bandy ireto. Tsy nisalasala ry zalahy ireo fa tonga dia niharan’ny angaredona ilay zandary ka na nanohitra aza, tsy nahavita firy noho ny isa tsy nitovy. Ny sasany namely ary ny hafa naka ny zavatra tany aminy. Vokany, vaky ny vavany ary lasan’ireo olon-dratsy ny vola sy ny telefonina. Voalazan’ny vaovao fa mbola nisy olona nandeha ihany ilay toerana fa saingy ankeviny noho ny tahotra, tsy nisy sahy nanatona. Polisy iray sendra nandalo nahita ny fahavoazan’ilay zandary no nanampy azy. Avy hatrany dia nampandrenesina ny polisy sasany niasa teny an-toerana ary raikitra ny fikarohana an’ireo mpanendaka. Nahitana vokany izany. Voasambotra ny iray tamin’izy telo lahy. Tafaporotsaka kosa ireo roalahy namany. Nentina natao fanadihadiana ilay izy ary nibaradaka fa mpanendaka no asan’izy ireo. Eny amin’ny faritra Ambodivona sy Andravoahangy no tena manao izany asa ratsy izany izy ireo. Efa maro ny olona nitondra faisana tamin’izany. Tamin’ny fisavana ilay tratra, tsy hita tany aminy ny vola sy ny telefonina an’ilay mpitandro filaminana. Mitohy, hoy ny vaovao voaray, ny fikarohana an’ireo namany.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser