- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversHôpitaly Ravoahangy : Lehilahy narary tsy nanam-bola maty teo ambavahadin’ny « morgue...

Hôpitaly Ravoahangy : Lehilahy narary tsy nanam-bola maty teo ambavahadin’ny « morgue »

Sambany no nisy toe-javatra sahala izao niseho teny ambavahandin’ny hôpitaly. Maro ireo olona hita faty an-dàlana, matin’ny fahantrana, hoy ny maro mpilaza

Lehilahy iray no hita faty teo ambavahadin’ny “morgue” teny amin’ny HJRA, omaly maraina. Mifamahofaho be ihany ny vaovao voaray mikasika ity fahafatesana ity. Teo anivon’ny hôpitaly no nahalalana fa efa nandeha tao amin’ny “urgences” ity olona ity tamin’ny alakamisy ary efa nahazo fitsaboana ilay lazaina hoe “premiers soins”. Rehefa izany dia tokony ho nandeha tany amin’ny sampana hafa izy. Tsy fantatra anefa izay niseho avy eo. Izy efa tafavoaka teny ivelany teo akaikin’ny vavahady no nisy nahita. Nisy ireo niteny fa tsy nisy ratra hita mivantana tamin’ity olona ity. Tsy nahenoana fofon-toaka ihany koa. Tsy niala teo izy fa dia nijanona teo amin’ilay toerana. Nanohy izany ireo ka nilaza fa ankeviny nianjadian’ny orana teo izy nandritra ny alina ka izany no nitarika ny fahafatesana. Izy rahateo voalaza fa tsy salama. Etsy andaniny, nisy loharanom-baovao hafa nilaza fa rehefa tafiditra hôpitaly izy dia nahafantatra fa misy ny vola tsy maintsy enti-manana izany. Toa tsy nanana mihitsy anefa izy tamin’io fotoana io. Dia iny izy lasa nandeha. Araka ny efa voalaza, narary izy ary tsy lasa lavitra dia nitolefika. Tamin’izay ora izay no nahitan’ny olona azy teo amin’ilay vavahady. Ny toetr’andro rahateo morana nefa izy tsy nisy mpanaraka, araka ny vaovao voaray hatrany.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser