- Publicité -
samedi 2 juillet 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAntsirabe : Zandary voafaokan’ny fiara 4X4 tsy mahatsiaro tena

Antsirabe : Zandary voafaokan’ny fiara 4X4 tsy mahatsiaro tena

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tao Vohitsara, lalam-pirenena fahafito misy ny tobin’ny zandarimaria ny alahady 5 janoary 2014 tokony ho tamin’ny valo ora alina

Teo am-panaovana ny asany ity mpitandro filaminana iray no no nofaohin’ny fiara iray tsy mataho-dalana nentina teratany vahiny. Manam-bady gasy ity vahiny ity ary niaraka tamin’ny zanany izy mivady tamin’io fotoana io. Avy any avaratra hihazo an’Antsirabe ilay fiara no nandona ilay mpitandro filaminana, mafy loatra ny dona nahazo ilay zandary, raha ny fazavana azo avy amin’ny Lt Lovasoa, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny kaomandin’ny zandarimaria eto Vakinankaratra, ka fantatra fa tsy mbola mahatsiaro tena izy hatramin’izao ora anoratana izao. Voalaza fa nahatratra 9 metatra ny dian’ny tsindry hisatra “coup de frein” vao tafajanonana ilay fiara, manamarina fa nandeha mafy loatra ilay 4X4. Na dia nisy aza ny famantarana “halt”100 metatra mialoha ny handalovana ny toby, raha ny fanazavana,  dia nandeha mafy hatrany ilay fiara ka nahatonga izao loza izao. Voatery notazonina ao amin’ny borigady Andranomadio  ilay teratany vahiny hanaovana ny famontorana, nikarakara ilay zandary niharam-boina kosa ilay ramatoa vadiny sy ny zanany. Vokatry ny ratra sy ny tsy fahatsiarovan-tenan’ilay zandary dia voatery nampiakarina ao Antananarivo izy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser