- Publicité -
mercredi 7 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversImerintsiatosika : Zaza vao teraka nariana velona tany an-gabone

Imerintsiatosika : Zaza vao teraka nariana velona tany an-gabone

Nitambatra nanery an’ity vehivavy iray ny olona teo an-tanàna vao nilaza ny tena marina izy. Zaza vao teraka, araka ny vaovao voaray, no nariany tany anaty gabone. Tsy nisy nahatsikaritra izany ny mponina. Mahina hatrany anefa ny rehetra rehefa nahita an’ity vehivavy iray bevohoaka ary teraka nefa tsy hita mihitsy ilay zaza naterany. Tamin’ny voalohany, nanontaniana izy dia tsy afaka namaly ny marina mikasika ilay zanany. Nilaza izy avy eo fa nateriny any amin’ny rainy io zaza io. Tamin’ny faran’ny taona 2013 no niseho izany. Tsy nanaiky mora anefa ny mpiara-monina fa nanery azy hatrany. Farany, nibaradaka ihany ny anao vavy ary nilaza ny marina mikasika ilay zanany. Tamin’izany no nilazany fa nariany tao andavam-piringa ilay zaza mbola velona. Omaly vao tena nilaza ny marina izy ary avy hatrany dia notazonina any amin’ny mpitandro filaminana. Tsy vao izao no nisy toe-javatra nanarian’ny sasany zaza tsy niriana tany anaty gabone fa efa imbetsaka mihitsy. Santionany iray ihany ity taterina eto ity.

r.s.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser