- Publicité -
mercredi 7 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnalamahitsy : Nirefotra ny basy, fivarotana efatra nasesin’ny jiolahy norobaina

Analamahitsy : Nirefotra ny basy, fivarotana efatra nasesin’ny jiolahy norobaina

voatafika-(3)Tsy nisaron-tava avokoa ireo jiolahy. Ny vola hatrany no notakiany. Nirefotra ny basy teny Analamahitsy Tanàna, omaly hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora sy sasany tany ho any. Andian-jiolahy voalaza fa eo amin’ny valo eo no tonga nanafika fivarotana efatra sy nanendaka mpandalo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa trano iray teny an-toerana no saika hotafihan’izy ireo tamin’ny voalohany. Tsy nahomby anefa izany ka olona iray nifanena taminy tao anaty elakelatrano no nendahany sy nodarohany ary nalainy ny sakaosiny. Rehefa izany dia niditra tao amin’ny Tsena ry zalahy ary mpanao hotely no lasibatra voalohany. Nasainy navoaka ny vola rehetra. Dia somary nahatsikaiky ihany ,satria tsy dia be ny vola tao ary olona iray nihinana tao no nilaza fa ravina vola 2 000 ariary iray no nalainy dia lasa izy. Nifindra nanaraka ilay làlana somary tery any ambadiky ny lalam-pirenena fahatelo ry zalahy. Nasesiny norobaina tamin’izay ny mpivarotra sendra azy. Tao amin’ny voalohany, niditra izy dia nitaky vola sady nanambana basy. Araka ny filazan’ny tompon’ny tsena, lasany avokoa ny vola maty omaly manontolo. Vola iray haron-kely. Raha vao azony izany dia nandeha izy ireo. Hitany ihany anefa ilay rangahy saika handeha hiantso olona. Tamin’izay fotoana izay no napoakan’ireo jiolahy ny basy. Natifiny tamin’ny tany ary mbola hita teo moa ny dian’ilay bala. Lasa niala izy ireo avy eo. Tsy nandeha lavitra anefa fa afaka teo amin’ny 100 metatra teo, mpivarotra iray mbola nivoha indray no tonga dia nidirany. Teo amin’ny varavaran-kely fampirantiana entana izy no niditra nitsambikina. Nisy menaka tanaty siao voahitsak’ilay niditra ary raraka tamin’ny tany. Somary tery ny toerana. Tsy nihetsika ny mpivarotra voaambana basy. Dia noraofin’ilay jiolahy ny vola rehetra maty omaly. Tombanana ho  100 000 ariary any. Lasan-dry zalahy hatramin’ny vola madinika rehetra, hoy ilay voatafika. Raha nahazo izany ireto mpandroba ireto dia nandeha nilamina nanaraka ny làlana nidina. Napoakany indray mandeha indray ny basy. Ireo mpivarotra tafaresaka taminay nilaza fa basy lava iray no hitany. Ny mpandalo kosa anefa nahatsikaritra fa nisy basy hafa koa teny amin’ireo mpandroba ireo. Dia mbola nahatsikaiky indray fa feno menaka ny kapa nanaovan’ny iray tamin’izy ireo ary nalama be angamba ka nariany teo afovoan-dàlana. Talohan’izany, nisy olona nitondra moto voaendaka ihany koa. Nandositra nihazo ny làlana mianatsimo izy ireo avy eo. Efa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nizaha ny zavanisy ary misokatra ny fanadihadiana.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser