- Publicité -
samedi 25 juin 2022
DomicileFaits-DiversAnkatso : Kaomorianina 2 tratra nanao hosoka tamin’ny fanadinana

Ankatso : Kaomorianina 2 tratra nanao hosoka tamin’ny fanadinana

Komorianina roa lahy no tratra nanao hosokoa, omaly teny Ankatso, tamin’ny fanadinana fifaninana hidirana taona voalohany ao amin’ny Polytechnique. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nisy iray nahazo fiantsoana hiadina. Tsy izy anefa no tonga niatrika ny fanadinana fa nosoloin’ny namany iray hafa. Nihevitra izy ireo fa tsy hisy hatsikaritra ny zavatra nataony. Tsy izany anefa no nitranga fa nisy ny fanamarinana, dia izao tratra izao ny zavatra nafeniny. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy nety nanambara ny anarany mihitsy ilay mpisolo toerana. Omaly ihany dia natolotra ny mpitandro filaminana eny Betongolo izy roalahy hofotorana.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser