- Publicité -
jeudi 6 octobre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAmbohibao : Mpivarotra henan’alika nosamborin’ny zandary

Ambohibao : Mpivarotra henan’alika nosamborin’ny zandary

Anio izy no hatolotra ny fampanoavana. Raha ny fanaony indray dia mitety tokantrano izy mivarotra ny “entany”. Tao amin’ny trano voalohany dia nisy zaza narary. Tao amin’ny faharoa indray dia avy hatrany dia nasiso ilay hena rehefa nandrahoina. Nisy nahatsikaritra izy vao maraim-be, nandrasa ireo alika novonoiny, teo ambony fasana. Teo dia efa nisy nanaraka tsikelikely ary inona tokoa fa nitombina ny ahiahin’ny olona: tena namidiny ireo hena. Nosamborina avy hatrany ary nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana, ny zandary raha ny marimarina kokoa. Nentina teny amin’ny birao ilay lehilahy niaraka tamin’ireo henan’alika namidiny. Mazava ho azy fa famarotana sakafo tsy manaraka ny fepetran’ny fahasalamana (vente d’aliment impropre à la consummation) no anenjehana azy. Nisy narary rahateo vokatry ny fihinanana an’izany, hany ka heverina fa mitombina ny fiampangana azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser