- Publicité -
lundi 5 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversVakinankaratra : Dimy lahy mirongo basy nanafika lasa daholo ny vola...

Vakinankaratra : Dimy lahy mirongo basy nanafika lasa daholo ny vola sy ny entana

Ny faran’ ny herinandro teo dia notafihin’ ny jiolahy mitambasy ny rangahy iray mpanao varo-mandeha . Tokotokony ho tamin’ ny sivy ora alina teo no nisehoan’ ny fandrobana. Miisa efatra ireto olon-dratsy tamin’ izany  no sady nanao saron-tava. Nanapoaka basy ry zareo  ka avy hatrany dia toran-kovitra tsy nahahetsika ilay mpivarotra . Lasan’ izy ireo tamin’ izany ny lelavola 500.000ar, plaque solaire sy  vary iray gony ary enta-madinika maro isan-karazany.

Ny tena mahavariana amin’ itony fanafihana  itony mantsy, manerana ny Nosy, dia ampy fitaovana tokoa ny mpanafika. Matetika ary dia ny jiolahy indray no manana fitaovam-piadiana matanjaka  sy arifomba  lavitra noho ny an’ ireo mpitandro ny filaminana.

ALEM

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser