- Publicité -
mardi 27 septembre 2022
DomicileFaits-DiversBarikadimy : Birao iray nisy namaky

Barikadimy : Birao iray nisy namaky

Vaky trano izay tsy taiza fa tao anatin’ny faritry ny oniversite ihany. Nisy nandroba ny biraon’ny fitantanana tao Barikadimy ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Lasan’ireo olon-dratsy ny solosaina miisa enina sy ny fitaovana sasantsasany fampiasa amin’ny birao. Dosie marobe no tazomina sy kirakiraina ao anatin’ireo solosaina. Mipetraka avy hatrany izany ny fanontaniana hoe ireo tao anatiny ve no tena nokendrena sa kosa ireo fitaovana? Raha tsiahivina dia vao tsy nisy iray volana akory izay no nisy fihetsiketsehana izay niteraka ratra teo anivon’io toeram-pampianarana ambony io. Nosakanana ny làlana, notorahina vato ny taxi-brousse izay nandeha tamin’ny RN2 ary nodorana ny birao iray. Vao tsy lefy akory ny akon’izany dia efa nisy birao vaky indray, ary ny biraon’ny fitantanana mihitsy…

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser