- Publicité -
dimanche 26 mars 2023
DomicileFaits-DiversBoeny-Vedety rendrika fa lany solika

Boeny-Vedety rendrika fa lany solika

Ny alarobia 05 febroary teo no nisehoan’izany; somary nahatsikaiky ihany nefa tena mety hitera-doza be tokoa, nitondra mpandeha sivy ambin’ny folo mantsy izy ity tamin’ izany  .

Lavidavitry ny seranantsambo ny Mahajanga no nisy ilay  ilay “vedette” avy hatrany dia nampandre ny tompon’ andraikitra izy ireo ,olona tsara sitrapo  no nanaiky  nampindrana vedety ka nentina namonjy ireto traboina . Marihina fa tonga ara-potoana ny  famonjena fa tamin’ io fotoana io dia efa nanomboka rendrika ilay vedety lany solika .

Hanairana ny sain’ ny tompon’ andraikitra ihany fa na any amin’ ny faritra avaratra mampitohy an’  Ambanja (Ankify)   sy Nosy-be ary dia misy toe-javatra tahak’ izany ihany koa, eny ambony rano masina tokoa mantsy no mitokona tampoka ilay vedety ary dia tsy taitra mihitsy ny mpamily mandraraka solika ao anaty “reservoir” fa ny mpandeha kosa natsy andaniny no torankovitra mifampijery toa samy te hanontany hoe  inona no mitranga ?

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser