Dahalo valo lahy be zao miaraka amin’ ny basim-borona no nanafika tanàna iray tao Beraketa, ny harivan ‘ny talata 04 febroary lasa teo . Nihetsika avy hatrany ireo fokonolona sy ny zandary tao an-toerana ka raikitra ny fanarahan-dia. Tsy lasa lavitra anefa ireto jiolahy ka vao nahatazana ireto mpana-radia dia nitifitra, tsy nanaiky izany koa ireto mpanenjika ka raikitra tamin’ izay ny fifampitifirana. Lavo avy hatrany ny iray tamin’ ireo dahalo, izay antsoina hoe Minisitra , izay tena dahalo ikoizana amin’ ny fanafihana mitam-basy ary tsy mitsitsy tokoa .
ALEM