- Publicité -
lundi 5 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversBy Pass : Lehilahy maty nodomin’ny fiara

By Pass : Lehilahy maty nodomin’ny fiara

Ny zoma hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora tany ho any, nisy lozam-pifamoivoizana nahafaty olona teny amin’ny lalana By Pass, eny amin’ny toerana antsoina hoe Ampasambazimba Ankaraobato. Mbola fotoana nahamaro ny mpandalo sy ny fiara mivezivezy tamin’io ora io. Nisy olona nahita ny fisehon’ity loza ity ary afaka nilaza fa mpitondra moto iray no nodomina fiara 4X4 miloko volombatolalaka. Nianjera tamin’ny tany ilay voadona. Tsy nijanona kosa anefa ilay mpitondra fiara fa lasa nanohy ny diany hatrany. Tsy namelan’ny olona anefa fa nisy ny nanenjika azy avy ato aoriana ka tsy lasa lavitra dia nijanona ilay izy. Nisy olona tsara sitrapo nampandre avy hatrany ny zandary avy eny Andoharanofotsy. Nandeha nizaha ny zava-nisy teny an-toerana iroe mpitandro filamina. Tamin’izany no nahitany olona iray nitsiatra teo amin’ny arabe. Rehefa nojerena dia efa tsy nisy aina intsony. Teo akaikiny teo, nisy Scooter iray.

r.s.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser