- Publicité -
jeudi 8 décembre 2022
DomicileFaits-DiversRaharaha BANI : Hiakatra Fampanoavana anio

Raharaha BANI : Hiakatra Fampanoavana anio

Anio alatsinainy no hiatrika ny Mpitsara mpanao famotorana ireo olona miisa 25 voarohirohy amin’ny fahaverezana bala miisa hatrany amin’ny 5 000 teny amin’ny BANI Ivato. Nahabe resaka tokoa ity raharaha ity. Ny telo tamin’ireto olona ireto dia voalaza fa sivily. Ny roa tompon’andrikitra miaramila ary ny ambiny dia mpiambina mifandimby amin’ilay toerana. Amin’izy ireo dia misy zazavao. Efa nisy moa ny nahazo fahafahana vonjimaika. Tsiahivina fa toa efa fotoana ela no nahavery ireo bala marobe ireo teny Ivato. Loharanom-baovao hafa no nilaza fa amidy eny  amin’ny “sisiny” ireo bala ireo. Ho hita eo ihany ny zavatra tena marina mikasika izany. Fisafoana natao no nahafantarana ny zava nisy.

r.s.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser