- Publicité -
samedi 26 novembre 2022
DomicileFaits-DiversAmbatondrazaka : Andian’olona nanakorontana ny tsena ,nirefodrefotra ny basy

Ambatondrazaka : Andian’olona nanakorontana ny tsena ,nirefodrefotra ny basy

Hatairana ny an’ireo mpivarotra teo amin’ny tsenan’Ambatondrazaka  ny harivan’ny alahady faha  09 febroary 2014 teo noho ny fisian’ireo andian’olona efadahy nanakorontana sy nandrahona mpivarotra ,nalain’izy ireo ny antsy teny amin’ireo mpivaronkena ka nenjehiny ireo manelingelina , nisahotaka arak’izany ny vahoaka ,tao ireo nanakatom-baravarana ireo mpivarotra lehibe ,nandositra ny sasany ,vetivety anefa dia tonga ny pôlisy niezaka nandamina  ka noho ny hamaroan’ny olona dia nisahotaka aok’izany .Nanandrana ny hilefa rahateo ireo mpanakorontana ,voatery nirefodrefotra  intelo  ny basin’ ny polisy vao samy nifitsaka tsy nisy nihetsika ny rehetra .Tafaporitsaka ihany anefa ireo mpanakorontana .Tsy nisy ny naratra fa ny fahasimban’ny entana voahitsakitsaka no betsaka  efa fantapatatra avokoa ny atidoha nitarika ny fanakorontanana  ka hanao ny fisamborana ny mpitandro ny filaminana.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser