- Publicité -
dimanche 29 janvier 2023
DomicileFaits-DiversFenoarivo Atsinanana : Mpitandro filaminana telo nosamborin’ny…olona

Fenoarivo Atsinanana : Mpitandro filaminana telo nosamborin’ny…olona

Tratran’ny fokonolona teo am-panaovana fandrobana ireo mpitandro ny filaminana  telo. Nanao fanamiana sivily izy ireo ary nanafika mpandraharaha iray tao Ampasimazava ny alin’ny zoma lasa teo. Ny vola 10 tapitrisa ariary izay vao nalain’ilay olona tany amin’ny banky no notetehany nalaina, raha araka ny fanazavan’ny olona. Niantsovonjy ny olona tao an-trano raha nahita ny nataon’ireo telo lahy izay soa ihany fa tsy nitam-basy. Vetivety dia vory ny olona izay lasa nanao asan’ny mpitandro ny filaminana indray. Nivadika tanteraka izany ny rasa. Ny ampitson’iny dia nanatona ny fokonolona ny lehiben’ireo mpitandro ny filaminana ary nitady raharaham-pihavanana. Tsy fantatra izay niafaran’ny resaka hatreto.

Nangonin’I D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser