- Publicité -
mardi 28 mars 2023
DomicileFaits-DiversOniversite Mahajanga : Nitory ny ray aman-drenin’ny mpianatra?

Oniversite Mahajanga : Nitory ny ray aman-drenin’ny mpianatra?

Ny alakamisy teo no nametraka ny fitoriana teny anivon’ny fampanoavana ny ray aman-drenin’ireo mpianatra  namoy aina sy naratra nandritra ny sakoroka tany Mahajanga. Loharanom-baovao akaiky azy ireo no nahafantarana izany. Nitohy ny hetsika, satria ny ampitson’iny dia mbola nivory ny mpianatra 40 niaraka tamin’ny ray aman-dreny marobe. Hatreto dia mbola manohitra ny fiverenan’nyFilohan’ny oniversite izy ireo. Nisy mihitsy aza ny sorabaventy nipetraka teo anoloan’ny fidirana tany amin’ny oniversite nanao hoe “afaka miverina amin’ny asany ny Filohan’ny oniversite raha toa ka vitany velona indray ny zanakay” raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Saingy vetivety foana dia nanjavona teo izany sorabaventy izany…

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser