- Publicité -
lundi 6 février 2023
DomicileFaits-DiversAnosizato Atsinanana : Mpivarotra voaroba, ankizy iray voatifitra

Anosizato Atsinanana : Mpivarotra voaroba, ankizy iray voatifitra

Omaly maraina be tokony ho tany amin’ny 3 ora, norobain’ny jiolahy mitam-basy ny fivarotana iray teny Anosizato Atsinanana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nosokirin’izy ireo ny varavarana ary teo izy ireo no niditra amboletra. Raha vao tafiditra tao an-trano ry zalahy dia nambanany basy ny rehetra ary tsy nisy sahy nihetsika. Notakian’izy ireo ny vola ary tsy maintsy nanome izany ny tompony. Lasa tamin’io fandrobana io ny vola 1,5 tapitrisa ariary, ny kojakoja toy ny televiziona sy zavatra hafa. Rehefa nahazo izay nilainy ireo olon-draty dia lasa nandeha. Talohan’izany anefa, napoakan’izy ireo ny basy teny aminy. Tamin’izay no nahavoa ilay ankizy teo amin’ny feny. Nikoropaka ny tompon-trano. Ireo jiolahy tonga dia rifatra nandositra. Ny namonjy ilay ankizy no nimasoan’ireo havany. Rehefa izany vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana izy ireo. Efa lasa lavitra anefa ireo mpandroba ka tsy nisy tratra intsony.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser