- Publicité -
vendredi, mai 20, 2022
DomicileFaits-DiversMahitsy : Jiolahy telo nanafika fivarotana enta-madinika

Mahitsy : Jiolahy telo nanafika fivarotana enta-madinika

Ny 13 febroary, tany ho any amin’ ny sivy ora alina  no niditra ankeriny tao amin’ ity mpivarotra ireto jiolahy 3 izay nitondra PA vita gasy sy antsy lava ary kibay, marihana fa mpamboly no tena fameloman-tenan’ ity tompona fivarotana ity fa mba vadin’ asa no nanokafany ilay “epicerie”. Mba hampihorohoroana  ireto  tompon-trano anefa  tonga dia nanapoaka basy in-droa ireto mpandroba , ny tena marina anefa izay poa-basy izay no nanaitra ny manodidina ,ka nanaovan’ ny tao an-tanàna  ny famonjena sy ny tolo-tanàna, tsy nahavita na inona na inona ireto jiolahy ka hany heriny dia novelesiny tamin’ ny kibay ilay rangahy, voa mafy tokoa ilay lehilahy ka nentina notsaboina any amin’ ny hopitaly HJRA.

Haingana ihany  ny fahatongavan’ ireo zandary teny an-toerana ka niezaka nanara-dia ireto olon-dratsy, saingy efa tsy hita intsony izay nalehan’ izy ireo. Ny mahavelom-bolo aloha dia efa haingam-piasa ny mpitandro  ny filaminana eto amintsika ,ka niala maina ireto jiolahy tamin’ ity indray mitoraka ity.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser