- Publicité -
samedi 24 septembre 2022
DomicileÀ lireAnkazobe : Sprinter nivoaka ny lalàna, olona 10 naratra

Ankazobe : Sprinter nivoaka ny lalàna, olona 10 naratra

Ny marainan’ ny zoma teo teny amin’ ny lalam-pirenena fahaefatra (RN4 PK 112+400)  iny no nisehoan’ny loza, vokatry ny fandehanana mafy. Marihina fa “taxi-brousse” ity niharan-doza ity ary nitodi-doha hiakatra aty Antananarivo, noho izany fandehanana mafy izany dia nivoaka ny arabe tokony handehanany ity fiara ka naharatrana olona 10. Tsy maintsy niezaka nijanona haingana mantsy ilay Sprinter ary izay no nampifandona ny olona tao anatiny ka niteraka ny ratra, tao ny nidona tamin’ny fitaratra sy ny olona mifanakaiky aminy, teo kosa ireo natsambikin’ny dona ka natosiny nankeny aloha. Ny CSBII tany Ankazobe no nitsaboana  ireto niharam-boina, ka efa nalefa nody rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy, ny fiara  kosa dia simba tokoa.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser