- Publicité -
samedi 26 novembre 2022
DomicileFaits-DiversAmbohidratrimo : Voasambotra ireo jiolahy nahafaty andrimasom-pokonolona

Ambohidratrimo : Voasambotra ireo jiolahy nahafaty andrimasom-pokonolona

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo ny jiolahy miisa dimy tamin’ny herinandro lasa teo.

Nisehoana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Soamanandray, kaominina ambanivohitr’i Anosiala, distrika Ambohidratrimo, ny alin’ny alakamisy 20 febroary 2014 teo, tokony ho tamin’ny 09 ora sy 20 minitra. Nanao be fiavy ireo olon-dratsy. Novakiany ny varavarana tamin’izay. Raha vao naheno izany ireo andrimasom-pokonolona miambina eny an-toerana dia sady niantso mpitandro filaminana no namonjy ireo olona voatafika. Raikitra  ny fifandonana ary maty voatifitr’ireo jiolahy ny lehilahy iray tamin’ireo andrimasom-pokonolona. Jiolahy iray kosa no voatifitra, ary tavela teo ny basim-borona iray “calibre 12” marika “Baïkal” miaraka amin’ny bala 2 teny aminy. Nentin’ireo namany lasa nitsoaka anefa ity farany. Raha vao nahazo antso ireo zandary avy ao amin’ny Borigady Ambohidratrimo dia nidina tany an-toerana ary nanao ny fanarahan-dia ireo jiolahy. Tamin’ny 12 sy sasany alina no tratra tao Antsahambilo ireto jiolahy miisa dimy ireto.

Omaly talata faha-25 febroary no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ireo mpandroba ireo.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser