- Publicité -
samedi 26 novembre 2022
DomicileFaits-DiversAnkadindramamy : Telo lahy nandroba, lasa ny vola sy ny telefonina

Ankadindramamy : Telo lahy nandroba, lasa ny vola sy ny telefonina

Omaly maraina be, notafihana jiolahy miisa telo ny mpivarotra iray teny Ankadindramamy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nopoirin’ireo mpandroba tamin’ny “barre à pince” ny varavarana dia teo no niditra ny iray tamin’izy ireo. Ireo roa hafa kosa nijanona tany ivelany. Tsy fantatra na nahare ny tompon’ny trano na ahona fa avy hatrany dia nasain’ilay jiolahy nihohoka teo am-pandrina izy mianakavy. Amin’izay angamba tsy afaka hijery azy. Nampitahorina tamin’ny antsy ary notereny hanoro azy ny toerana misy ny vola. Lasa tamin’izany ny vola valo alina ariary miaraka amin’ny telefonina roa. Raha vao nahazo izany ry zalahy dia rifatra nandositra avy hatrany. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

Hatramin’ny niatombohanan’ny taona, saika isaky ny alina no andrenesana fanafihan-jiolahy tamin’ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser