- Publicité -
jeudi 6 octobre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversIfanadiana : Lehilahy iray hita faty tao anty rano

Ifanadiana : Lehilahy iray hita faty tao anty rano

Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ranomafana no nahitana razana natsingevan’ny rano ny alahady lasa teo. Manodidina ny 44 taona eo ity maty  ary olona sendra nandalo no nahita azy efa mitsingevana miaraka amin’ny hazo manara-tsisiny amin’ny moron-drano. Rehefa natao moa ny fizahana ny razana dia toa tsy nisy ratra teny amin’ny tenany. Ny olona tao an-tanàna no tonga dia nahafantatra fa miasa amina hotely iray ao an-tanàna ity farany. Tsy fantatra hatreto ny antony nahafaty azy. Mety ho namono tena ranamana, tsy azo vinaniana koa ny hoe nisy namono. Efa eo am-pelatanan’ny zandarimaria any Ranomafana moa ny raharaha amin’izao ka tsy ho ela dia mety ho fantatra na famonoan-tena avy amin’ny famoizam-po no nahazo azy na koa trangan-javatra tsy nampoizina, na sendra ny tampoka dia tsy nisy nahita sy namonjy. Efa be moa ny resaka natao teto momba ity rano ity fa mila fitandremana be tokoa, satria ao anatin’indray mipi-maso monja dia mety ho fahafatesana no vokany.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser