Tao Ambohimanga rova no notokanana ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena distrika Antananarivo -Avaradrano, manodidina ny 80 tapitrisa ar teo ny totalim-bidin’ny lany tamin’ny foto-drafitrasa izay nahavitana trano misy rihana iray sy efitra 11, trano fonenan’ny mpiasa 2 . Ezaka manokana nataon’nyi Jeneraly Richard RAVALOMANANA komandin’ny zandarimariam-pirenena no sady zanaka am-pielezana sy vato nasondrotry ny tany, ka niarahana nisalahy tamin’ireo tsra sitrapo sy malala-tànana. Ny zanaky ny faritra dia nanolotra môtô roa sy solosaina roa ihany koa tonga teny an-toerana tamin’izany ny Minisitry ny foloalindahy sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary olo-manankaja maro sivily sy miaramila.
ALEM