- Publicité -
mercredi 7 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAmbatolampikely Antehiroka : Jiolahy 4 nandroba, voatsindrona antsy ny tompon-trano

Ambatolampikely Antehiroka : Jiolahy 4 nandroba, voatsindrona antsy ny tompon-trano

Nisehoana fanafihan-jiolahy teny Ambatolampikely Antehiroka, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy tamin’ny 3 ora maraina. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa efatra ny isan’ireo mpandroba ka ny roa nisaron-tava. Nitondra basy PA sy antsy ry zalahy. Amin’izao fotoana izao, tsy olana ho an’ireo mpandroba intsony ny miditra ny trano hangalarany. Vetivety hatrany izy ireny dia tafiditra. Vehivavy no tao an-trano tamin’io fotoana io. Avy dia ny vola no notakian’izy ireo. Noho ny tahotra dia voatery tsy maintsy namone izany ilay voatafika. Lasany tamin’izany ny 70 000 ariary sy entana maro hafa. Tsikaritr’izy ireo anefa fa saika hiantso vonjy amin’ny manodidina ilay vehivavy. Tsy nisalasala ireo mpandroba fa avy hatrany dia notsindrominy antsy. Naratra mafy tokoa ity olona ity. Fa ny loharanom-baovao hafa re avy eny an-toerana ihany koa no nahalalana fa rehefa naratra ilay vehivavy dia toa hoe nantsoin’ireo jiolahy tamin’ny telefonina hitany tao an-trano ny havany ary nilazany mba ho tonga hanavotra io ramatoa io.

Taorian’izany dia lasa nandeha ireo olon-dratsy ary tsy nisy tratra aloha hatramin’izao.

r.s.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser